SocialTsidika

Mila arahi-maso ny mpamily.

Izay mahafehy sy mahafeno ny fepetra amin’ny asa iray no tena mpiasa mendrika indrindra amin’ny sehatry ny fifamoivoizana. Tsy mety ny tahaka ity seho nitranga tany Ambohimangakeky ity. Mpianatra kely iray andeha hianatra, niaraka tamin’ny mpanatitra azy no niharan-doza nodomin’ny fiara « Golf ».  Nirimorimo avy any aoriana ity fiara ity kanjo vaky kodiarana tampoka ka nifatratra tamin’iretsy farany. Notetezin’ity fiara avy aty aoriana ilay mpanatitra azy. Tapaka kosa ny tongotr’ilay zaza mpianatra ary niala avokoa ny nifiny. Tsy manana fahazahoan-dalana hitondra fiara ilay mpamily izany hoe olona tsy tokony hitondra fiara akory raha araka ny vaovao. Tsy misy ary ve ny fanaraha-maso azy ireny ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire