Royaume-Uni : Voaheloka higadra roa taona i Stacey Davis
Renim-pianakaviana namono ankolaka ny zanany 12 volana antsoina hoe Ethan i Stacey Davis, 35 taona. Tany amin’ny volana jona 2018 no niseho ny tranga tao Melksham. Lasa nandeha niantsena sy nitsangatsangana nandritra ny adiny telo io renim-pianakaviana io. Navelany irery tao an-trano tao anaty « berceau » ny zanany. Nihidy avokoa nefa ny varavarankely, tsy nisy lalan-drivotra ny trano kanefa nahatratra 27°C ny maripana.
Vao tonga tao an-trano nefa i Stacey Davis dia tsy nijery ny zanany avy hatrany fa mbola nandefa hafatra miafina sy nilalao finday. 30 minitra taorian’izay izy vao nandeha nijery ny zanany saingy tsy nisy aina intsony ity farany. Nanditra ny fizahana an’i Ethan tany amin’ny toeram-pitsaboana dia hita fa nisy voadona tao amin’ny lohany izy saingy tsy nahazo fitsaboana. Nahitana zava-mahadomelina ihany koa ny volony izay avy amin’ny fifohan’ny reniny teo akaikiny.
Manoloana ny tranga voaheloka higadra 2 taona i Stacey Davis nandritra ny fitsarna azy ny fiandohan’ny volana teo.
