Ghana : Iza moa i Benedict Kojo Quaye ?
I Benedict Kojo Quaye, izay mitondra ny anarana entina miantsehatra hoe Yibor Kojo Yibor, dia poeta ary mpanao « Slam » ao amin’ny Spoken Word. Monina ao Ghana i Yibor Kojo Yibor ary efa tompondakan’ny « Slam ». Anisany olona nanova hevitra io mpanao « Slam » io fa zava-kanto natao ho an’ny olona rehetra indrindra ny olon-tsotra ny poesia.
Anisany niara-namorona ny seho an-tsehatra Slam « Ehalakasa d’Accra » ao Ghana i Yibor Kojo Yibor. Mandray anjara betsaka amin’ny fikarakarana hetsika mifandray amin’ny Spoken Word izy, amin’ny fikarakarana atrikasa sy tetikasa eto Afrique sy eran’izao tontolo izao. Ampiasain’i Yibor Kojo Yibor amin’ny lohalevitra mbola « tabou » samihafa ny zava-kantony toy ny maha izy ny olona, ny olana ara-tsosialy, ara-politika sy ara-kolontsaina ary ny fanamby amin’ny fampandrosoana aty Afrique.
