Ankadikely Ilafy : Notolorana fitaovam-pianarana ireo zanaky ny mpiasa ao amin’ny kaominina
Nanolotra fitaovam-pianarana ho an’ny zanaky ny mpiasa ao amin’ny kaominina Ankadikely-Ilafy ny Fimpicrai (Fikambanan’ny Mpiasan’ny CRAI), ny faran’ny herinandro lasa teo ho fitsinjovana ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao.
« Efa iaraha-malala tokoa ny fahasiranan’ny ray aman-drenin’ny mpianatra amin’izao fotoana ka izany indrindra no nahatonga ny fikambanan’ny mpiasa eto amin’ny kaominina nitondra ny anjara birikiny entina hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny » hoy ny tomponandraikitra ao amin’ny kaominina. « Manamaivana ny fahasahiranana tokoa satria ny fiainana amin’iizao efa iaraha-mahalala fa efa sarotra, ny vidim-piainana efa miakatra koa misaotra an’andriamatoa ben’ny tanàna sy ny fikambanana nanome fa nahavonjy ireo zanakay, mampazoto azy rehefa manana fitaovana izy rehefa andeha hianatra » hoy i Tiavina, renim-pianakaviana.
Ny Fimpicrai moa dia fikambanana ao amin’ny kaominina, izay misahana indrindra ny sosialin’ny mpiasa ao an-toerana izay tarihin’ny benen’ny tanàna. Anisan’ny tarigetra vohiziny ao anatin’ny kaominina ny firaisan-kina sy ny fiombonana mba hisian’ny fampandrosoana.
Manitra Ramanantsoa
