SMATCHIN
Tapitra omaly alahady ny lalao Smatchin, rehefa notontosaina nandritra ny 9 andro teny amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahan-tena Mahamasina. 40 no isan’ireo instituts sy faculté nandray anjara tao anatin’izany, izay nisy ekipa 40 teo amin’ny sokajy lehilahy, 20 kosa ny ekipan’ny sokajy vehivavy.
Teo amin’ny sokajy lehilahy, lasan’ny U-Magis ny amboaran’ny Smatchin. Nandresy an’ny ESMIA tamin’ny isa 65 no 50 izy ireo nandritra izany. teo amin’ny sokajy vehivavy, lasan’ny IUM ny toerana voalohany rehefa nandresy ny ESSCA tamin’ny isa 49 no 46.
Teo amin’ireo fifaninanana Miss et Mister an’ny Smatchin 2024 kosa, i Tsaroana Rakotoarivelo, avy ao amin’ny IUM no voafidy ho Miss Smatchin 2024, raha toa ka i Luca Razafinjato, avy ao amin’ny Esmia no voafidy ho Mister Smatchin 2024.
