SportTatitra

Turquie : Olona 17 voasambotra vokatry ny fanaovana herisetra taorian’ny lalao baolina kitra

Mpanohana, mpijery baolina kitra am-polony no voasambotra noho ny fanakorontanana nataon’izy ireo taorian’ny faharesen’ny ekipa notohanany, tamin’ny alahady teo, tao amin’ny kianjan’i Trabzonspor, tany Turquie. Rehefa nitsoaka ny kiririoka mamarana ny lalao ny mpitsara, dia nirohotra nidina ny kianja ireo mpijery, rehefa resy tamin’ny isa 2 sy telo ireo ekipa notohanany, dia ny ekipan’i Trabzonspor, raha toa kosa ka nankalaza ny fandreseny ny ekipan’i Fenerbahçe, izay anisan’ny iray amin’ireo ekipa mahery any Istanbul. Nandritra izany ihany koa dia nandrahona ny hamono ireo mpilalao sy mpanazatra’ny klioba ireto mpijery ireto. Tamin’izany moa dia naratra vokatry ny totodry nahazo azy ny mpiandry tsato-kazo, Dominik Livakovic. Taorian’izay, olona 12 no voahantso, izay voalaza ho mpitarika ny fanakorontanana ary dimy hafa voasambotra noho ny fanaovana herisetra. Manameloka izany tranga izany ny fedesioanan’ny baolina kitra Turque.

Laisser un commentaire