ActualitésTatitra

Océan Pacifique : « Raie Manta », karazana « Raie » lehibe indrindra

Karazana trondro ao amin’ny fianakavian’ny « Myliobatidae » ny « Raie Manta » an-dranomasina antsoina ihany koa hoe « diable de mer » na « raie manta géante ». Nomena ny anarana siantifika hoe « Manta birostris » kosa io biby io tany am-piandohana, izay lasa Mobula birostris amin’izao fotoana. Karazana « Raie manta » lehibe indrindra izy io izay mety mahatratra 7 hatramin’ny 9 metatra ary roa taonina.

Misy karazana roa kosa ny « Raie manta » : ireo monina an-dranomasina (océanique) ary ireo monina anaty haran-dranomasina (récif). Lehibe kokoa ny ireo monina an-dranomasina noho ireo monina anaty haran-dranomasina. Miloko matroka kokoa kosany lamosin’ireto farany ary mazavazava ny eo amin’ny loha raha ahitana tsipika fotsy roa kosa ireo an-dranomasina.

Ao amin’ny ranomasim-be pasifika atsinanana no tena ahitana ny « Raie manta ». Anisany ahitana azy ao  Équateur (Isla de la Plata), Mexique (Archipel des Revillagigedo), Indo-Pacifique (Maldives, Thaïlande [Îles Similan], Indonésie [Raja Ampat]…).

Laisser un commentaire