Ambohimanambola : Maro ireo lalana mila fanamboarana
Anisan’ny mampijaly ny mponina, indrindra amin’ny fotoam-pahavaratra tahaka izao ireo lalan-tany mankany amin’ireo fokontany samihafa ao an-toerana. Raha ny voalaza, efa ela no tsy nisy fanamboarana na fikarakarana ireo lalana mankao amin’ny fokontany Ambohibato, Morarano ary Ambohimanambola tanàna ka mila fijerena manokana.
« Efa ela ihany no nitaraina mahakasika ity lalana ity, izay efa an-taonany maro tsy nisy fijerena na fanamboarana kanefa maro ireo mivezivezy, mampiasa ilay lalana, indrindra ny mpianatra. Ka mba manaitra ny tomponandraikitra hitondra fanamboarana amin‘izany » hoy i Faly, mponina ao Ambohimanambola.
« Ity lalana ity moa fahavaratra mamotaka, loha-taona mamovoka. Efa toa izay hatrany ny niainan’ny mponina sy ny mpampiasa azy eto. Mila fiaraha-mientana ny fanamboarana izany satria ny fotoana efa mandroso, ny lalana eo ihany » hoy IiSeta, mpampianatra.
Tsy voatery hiandry tompon’andraikitra tokoa vao afaka hitondra fampandrosoana na fampivoarana amin’ny faritra iray. Ny zava-dehibe dia ny fandraisana andraikitra sy ny fiaraha-mientana mba ho an’ny tombotsoa hiraisana.
Manitra R.
