Dépêches

Caravane médicale Cheneso : Efa tonga any Marovoay amin’izao fotoana izao.

Dépêche 02 février, 15h, Niainga omaly teo amin’ny CHUJRA ny caravane médicale spéciale Cheneso ary nihazo an’ny Marovoay ao anatin’ny Faritra Boeny. Ny fanambay tamin’izany dia ilay ohabolana Malagasy hoe « ny hava-tiana tsy mahalavi-tany ». Handray an-tanana ara-pahasalamana maimaimpoana ireo mpiray tanindrazana niharam-boina vokatra ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso ny tanjona amin’ity hetsika ity. Ny distrikan’i Marovoay, faritra Boeny no hampiantrano ity hetsika ara-pahasalamana goavana ity anio tontolo andro izay iarahan’ny « Association Fitia » sy ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ireo Mpiaramiombonantoka maro. 

Laisser un commentaire