Europe : Hanomboka ny fiadiana ho tompon-daka isam-pirenena
Miverina mihetsiketsika indray ny baolina kitra ao Europe. Manomboka androany ny fiadiana tompon-dakan’izy ireo. Ho hita amin’izany indray ireo kintan’ny Liga sy ireo mpilalao vaovao an’i Angleterre ary ny mpanazatra vaovao an’i Bayern Munich, Julian Nagelsmann.
Ho avy ao amin’ny kianjan’ny Brentford ny Arsenal androany amin’ny 9 ora alina. Manomboka amin’ny 1 ora sy sasany ny sabotsy izao kosa ny fifandonana ao amin’ny Manchester United sy ny Leeds.
