Tatitra

Etats-Unis : Trano may vokatrin’ny hatsiaka.

Miseho any Etats-Unis amin’izao fotoana izao ilay antsoina hoe « Thundersnow » izany hoe orana havandra izay mitondra rivotra mafy ary mety ahitana bolongana havandra entin’ny rivotra manerana ny tanàna. Ahatorana na mahafaty mihitsy aza ny tratran’izany bolongana izany. Miezaka mitady loharanon-kafanana ny mponina any ka manao ny fomba rehetra. Misy ny efa zatra nampiasa « climatiseur » kanefa na ny herinaratra any an-toerana aza maty. fanampin’izay, mila herinaratra ihany koa ilay ozinina mpandefa rano ka tapaka nanaraka izay koa ny rano. Nandrehitra afo kitay sisa no vahaolana, izay sehatra tsy voafehin’ny olona any akory ka nitarika ny firehetan’ny trano izany. Trano maro no may noho ny fiparitahan’ilay afo, teo ihany koa ny tsy fahampian’ny rano hamonoana ny afo.

Laisser un commentaire