ActualitésTatitra

Mexique : Nahafaty olona maro ny onjan’ny hafanana tao an-toerana

Olona 104 no namoy ny ainy vokatry ny onjan’ny hafanana nahery vaika tao an’efitr’i Mexique sy ny renivohiny ny 12 hatramin’ny 25 jona teo raha ny tatitry ny governemanta tao an-toerana. Tao amin’ny faritra indostrialy ny firenena ao Nuevo Leon, eo amin’ny sisin-tanin’i Texas no nahita ny antontan’isa betsaka indrindra tamin’izany raha ny fanamafisan’izy ireo.

Tafiakatra ambony dia ambony ny mariana tao an-toerana. Tonga hatramin’ny 49° izany tao amin’ny faritry ny Sonora raha ny fanazavan’ny ministera ny fahasalamana tao an-toerana. Ny hafanana tafahoatra sy ny tsy fahampian-drano (déshydratation) kosa no nitarika ireo fahafatesana ireo hoy izy ireo. Mbola miahiana ny fiakaran’ny maripana ambony dia ambony kosa izy ireo amin’ity volana jolay ity.

Laisser un commentaire