Algérie : Nandefa « Canadair » roa hanampy an’i Algérie i France
Nandefa « Canadair » na fiaramanidina mpanondraka rano roa hanampy an’i Algérie hamono ny afo ao an-toerana i France ny alakamisy teo. Efa ripaky ny afo mantsy ny ankamaroan’ny toerana ao avaratry ny firenena indrindra ao amin’ny kaominan’i Tizi Ouzou.
Raha ny fanazavan’ny filoha algérien Abdelmadjid Tebboune dia nisy ninia nanao ity fandorana farany ity ary efa olona 22 no nosamboriana tamin’izany. Mety handefa fanampiana toy izany ihany koa i Espagne sy Suisse hoy izy.
