Alasora : Tontosa soa aman-tsara ny lalao fifaninanana « tournoi du maire Basketball 2023 »
Tontosa soa aman-tsara ny lalao fifaninanana ara-panatanjahan-tena, eo amin’ny taranja baolina baskety (tournoi du maire Basketball 2023), izay nokarakarain’ny kaominina Alasora. Ny alahady teo no nanatanterahana izany lalao famaranana izany.
« Nifarana ny tournoi du maire basketball 2023 izay nahitana mpandray anjara fito (7) ho an’ny sokajy vehivavy ary sivy ambin’ny folo (19) teo amin’ny sokajy lehilahy. Nahafa-po ny fifaninanana ary hisaorana ireo ekipa mpandray anjara rehetra, indrindra nympanohana satria tena anisan’ny manandratra avo ny fanatanjahan-tena eto amin’ny kaominina izany » hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
« Misaotra ny kaominina amin’ny fikarakarana ny fifaninanana sy ny fanohanana ny tanora sy ny fanatanjahan-tena, zava-dehibe ho anay tokoa ny tournoi tahaka izao. Anisan’ny mampitombo ny fahaiza-manao sy ny talenta izany fa indrindra manoma lanja ity taranja baskety ity izay efa tena maro ireo tanora lasa lavitra sy misongadina ao anatiny » hoy i Henintsoa, mpilalao baolina baskety.
Mahakasika ny voka-dalao nandritra izany moa, teo amin’ny sokajy vehivavy dia nibata ny amboara ny fokontany Alasora, eo amin’ny laharana faharoa kosa ny fokontany Est-Mahazoarivo ary laharana fahatelo Ambatomalaza. Eo amin’ny sokajy lehilahy, nahazo ny laharana voalohany Amboaroy 1, eo amin’ny laharana faharoa kosa ny fokontany Ambodivoanjo ary laharana fahatelo ny fokontany Ambodivondava.
