SocialTatitra

Chili : Olon an-jatony namoy ny ainy, 43.000 hektaran’ny ala may

Olona an-jatony mahery no namoy ny ainy, tanàna maro no lasa lavenona niaraka tamin’ny fiara, tany Chili. Nisehoana fahamaizana goavana tao amin’ny faritry Valparaiso, ao afovoan-tany any Chili, nanomboka ny zoma 02 febroary. Ity no loza goavana indrindra faharoa namely an’i Chili taorian’ny trangana horohoron-tany (séisme) sy tsunami, ny taona 2010, izay nahafatesana olona 500 mahery. Hatramin’ny omaly alatsiny, tafanika ny 112 ireo olona namoy ny ainy vokatr’ity loza ity ary mety mbola hiakatra hatrany izany taha izany noho ny fiantraikan’ny zava-misy any an-toerana, araka ny nambaran’ireo tomponandraikitra. Nanao ny ainy tsy ho zavatra ireo mpamonjy voina any an-toerana manoloana ity loza ity. Ankoatra ireo olona namoy ny ainy, manodidina ny 3.000 ka hatramin’ny 6.000 isa ireo trano potika sy rava tamin’ity loza ity. Ala manodidina ny 43.000 hektara ihany ko no kilan’ny afo.

Hatramin’ny alarobia lasa teo moa, tafakatra hatramin’ny 40° ny mari-pana tany Chili sy ny renivohitra Santiago, ary vokatr’izany hafanana mihoapanana izanyo nahatonga ny loza nampian’ny vokatry ny fiovaovan’ny toetr’andro.

Laisser un commentaire