Etats-Unis : Nampidirina tamin’ny « Jeux mondiaux 2022 » ny Parkour
Notontosaina ny 7 hatramin’ny 17 jolay 2020 teo ny « Jeux mondiaux 2022 ». Anisany nahitam-panovana izany nohon’ny fampidirana ny andiany voalohan’ny « Parkour » tamin’ny fifaninana. Neken’ny federasionina iraisam-pirenen’ny « gymnastique » tamin’ny fomba ofisialy nandritra ny ny « Jeux mondiaux » farany tamin’ny taona 2017 teo ny fampidirana io taranja.
Ny 10 sy ny 11 jolay 2022 no notontosaina ny fifaninana Parkour nandritra io fifaninana io. Sokajy roa no notsaraina tamin’izany Speed-Run (Sprint) sy Freestyle. Natao tao amin’ny indostria iray navaozina manokana « Sloss Furnaces » tao amin’ny oniversiten’i Birmingham ny fifaninana.
I Bohdan Kolmakov avy ao Ukraine no nahazo ny medaly volamenan’ny Speed-Run ary i Ioakeim Theodoridis ao Grèce no nahazo ny medaly volamenan’ny Freestyle teo amin’ny lehilahy. I Miranda Tibbling avy ao Suède kosa no nahazo ny medaly volamenan’ny Speed-Run teo amin’ny vehivavy ary i Noa Man avy ao Pays-Bas no nahazo ny medaly volamena amin’ny Freestyle.
