SocialTatitra

Tunisie : Misy elanelana lehibe eo amin’ny lalàna sy ny fanatanterahana izany manoloana ny zon’ny vehivavy.

« Saika namoy ny zava-drehetra hananany », i Nadia, renim-pianakaviana iray rehefa avy nametraka fitarainana nandritra ny fotoana nitazomana ny vadiny mahery setra tany am-ponja. Saika nafoiny hatramin’ny zanany vavy rehefa nivoaka tsy ara-dalàna io vadiny io. Zara raha mahavita mampihatra ny lalàna manohitra ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny andrim-panjakana Toniziana. Nahitana fiakariny io endrika herisetra atao amin’ny vehivavy io tamin’ny martsa ka hatramin’ny jona 2020, hoy ny tompon’andraikitra. Mbola mitohy hatrany izany fiakarana izany. Nametraka lalàna miady amin’ny herisetra atao amin’ireo vehivavy ny governemanta Toniziana tamin’ny taona 2017. Tapak’ireo lehilahy mpanao politika tamin’izany ny hananana “vehivavy Toniziana” mandroso sy fanevan’ny firenena. Mampihatra sazy amin’reo tratra manao io heristera io ity lahatsoratra ity, no sady manohana ara-dalàna sy ara-pitaovana ireo vehivavy niharam-boina. Mbola mijanona ho sakana tsy ahazoan’ireo vehivavy rariny anefa ny tsy finiavan’ireo mpanao politika sy ny tsy fahampian’ny fitaovana enti-manampy azy ireo. Arirariran’ireo manam-pahefana ireo vehivavy tonga mametraka fitarainana amin’ny trangana herisetra tonga ao amin’izy ireo hoy i Madame Nadia. Nangatahin’izy ireo hametraka kapila mangirana mirakitra porofo manameloka ny vadiny i Nadia. Afaka herinandro maromaro anefa, mbola tsy nisy fandrosoana. Sady kivy izy no natahotra mafy ho an’ny tenany fa indrindra ho an’ireo zanany vavy raha ny nambarany. Hita ary fa tsy natolotry ny teo anivon’ny polisy ny fitsarana akory ilay porofo nangatahina tamin’ny kapila mangirana rehefa nanao fanadihadiana ny fikambanan’ny vehivavy demokraty na ny ATFD. Nambaran’ny teo anivon’ny akademian’ny polisy Toniziana fa tokony any amin’izy ireo mivantana no anaovana ny fitarainana ary azo gadraina mihitsy izay minia manao tsinontsinona ny zon’ny vehivavy any an-toerana.

Laisser un commentaire