Ambohimangakely : Mitohy ny asa fanamboaran-dalana
Mitohy hatrany ny asa fanamboaran-dalana ataon’ny kaominina Ambohimangakely. Ny faran’ny herinandro teo, nisy ny fanamboarana ny lalana tao amin’ny Antanimenakely sy Dakar, fokontany Ikianja.
« mitohy hatrany ny asa fampandrosoana ataon’ny kaominina. Ao anatin’izany misy ny fanatsarana ireo lalan-kely izay nampitaraina ny olona fotoana maro sy fanamboarana ireo totoha-bato izay betsaka mponina mivezivezy. Fiaraha-mientana eo amin’ny fokonolona sy ny tomponandraikitry ny kaominina moa no nahavitana izany » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
« Tsy tokony atao ambanin-javatra ny fanamboaran-dalana, na lalan-kely eny amin’ny mponina izany na lalam-be ampiasain’ny be sy ny maro. Tena maro ireo simba sy feno lavaka kanefa miandry fotoana ela vao misy fanamboarana. Hangatahana amin’ny tomponandraikitra hijery izany akaiky satria ny fotoana faharetan’ny fahasimbana vao maika mampitombo ny haratsin’ny lalana sy ny fahavoazany » hoy i Feno, mpitondra fiara.
Mbola hitohy amin’ireo fokontany sy faritra hafa ao an-toerana moa izao asa fanamboaran-dalana izao.
