SocialTatitra

Espagne : Voarohirohy ho nanolana zatovovavy ilay mpilalao baolina kitran’i Braça sy PSG teo aloha, Dani Alves

Niakatra teo amin’ny fitsarana, tamin’ny omaly alatsinainy indray ilay raharaha mahakasika ny trangana fanolanana nataon’ny mpilalao baolina iray, Dani Aleves, tany Barcelone, Espagne. Mbola arahina maso akaiky ny mahakasika ny fitsarana ity mpilalao iray ity, izay mbola hitohy hatramin’ny rahampitso alarobia. Raha tsiahivina, ny alin’ny 30 desambra, hifoha 31 desambra 2022 no niseho ity tranga ity, tao amin’ny toeram-pandihizana iray tany Sutton Barcelone. Vehivavy iray no nilaza fa niharan’ny fanolanana nataon’i Dani Alves tao amin’ny toeram-pivoahana. Notanana am-ponja vonjimaika nandritra ny iray taona ity farany tamin’izany. Nandritra ny fampanovana azy, sazy sivy taona an-trano maizina no novesarana azy, niampy onitra 150.000 euros ho an’ity vehivavy voaholana ity ary fanaraha-maso azy mandritra ny 10 taona aorian’ny fitanana azy am-ponja.

Laisser un commentaire