ActualitésTatitra

Etats-Unis : Zazavavy kely 11 taona no hita faty tao ambany fandriany

Raim-pianakaviana iray antsoina hoe Carmelo Gonzalez, 32 taona no naharay hafatra hafahafa avy tamin’ny zanany vavy rehefa tonga tao am-piasany. Nosoratan’io zazavavy 11 taona io fa misy olona tsy fantatra mandondona tao am-baravarana, namaly ny rainy fa tsy tokony hanokatra ny varavarana izy ka lasa niafina tao am-pandrinany ilay zazavavy.

Marihina fa tao Texas, manodidina ny 10 ora maraina, no niseho io tranga io. Rehefa tsy nandefa hafatra intsony ilay zazavavy dia nangataka tamin’ny anabaviny hijery ny zanany ilay raim-pianakaviana. Rehefa tonga an-toerana izy dia nisokatra ny varavarana ary hita faty tao ambany fandriany tao anaty « panier à linge » ilay zazavavy.

Rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa voaolana ary novelesina teo amin’ny lohany ary nokendaina io zazavavy io. Tovolahy antsoina hoe Juan Carlos Garcia Rodriguez, 18 taona no fantatra fa nahavanon-doza ary karohin’ny manam-pahefana amin’izao fotoana.

Laisser un commentaire