France : Zazalahy kely 5 taona no maty tany amin’ny toerana fikarakarana zaza iray
Zazalahy kely iray no naharina maso akaiky noho ny aretina nitaiza azy hatramin’ny fahaterahany tao amin’ny toerana fikarakarana zaza iray (foyer pour enfants) tao Gironde. Nahatsikarika ireo tompon’andraikitry ny toerana tamin’ny ora fakana rivotra fa tsy nifoha i Eysines. Manoloana izany dia nohezaka namelona azy ilay mpitsabo mpanampy niambina azy saingy tsy mbola nifoha izy.
Nantsoiny avy hatrany ihany koa ireo mpamonjy voina saingy tsy tana ny ain’i Eysines. Raha ny fanazavana dia tsy nifoha tamin’ny torimasony intsony io zazalahy kely io. Marihana kosa fa efa iray taona sy tapany ny tenany no nokarakaraina tao amin’io toerana io ary mifandray matetika amin’ny fianakaviany izy.
Nanazava kosa ny ministeran’ny atitany tao an-toerana fa tsy nahitana soritra herisetra ny vatan’i Eysines saingy tsy maintsy hisy ny fizahana ny razany hamaritana ny antony tena nahafaty azy. Nilza kosa i Franck Bottin, talen’ny « centre départemental de l’enfance et de la famille » ao Gironde izay nisy an’i Eysines fa tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesn’izy ireo ny fahafatesan’io zazalahy io.
