Dépêches

Ambohijafy: Vehivavy iray nitondra vohoka hita faty teny an-tanimbary

Vehivavy iray no hita faty tao amin’ny fokontany Antanety, kaominina Fenoarivo; ny herinandro lasa teo. Ny fanadihadiana nataon’ny zandary avy ao amin’ny poste avancé Ambohijafy, niaraka tamin’ny mpitsabo no nahafantarana fa sahabo 30 taona ity vehivavy hita faty ity ary mitondra vohoka 4 na 5 volana. Fifamaliana teo amin’ilay vehivavy sy ny sakaizany no voalaza ho anton’ny loza. Nisy ny fikasiha-tanana nataon’ity farany ka fanina ialy vehivavy ka nianjera tany an-tanim-bary. Voatazona eny amin’ny fonjan’ny Tsiafahy moa ity nahavanon-doza ity.

Laisser un commentaire