Sarah Mullally Vehivavy voalohany nitondra Arsevekan’i Canterbury
Voalohany teo amin’ny tantara (taorian’ny 1.400 taona) no nahitana vehivavy nitana ny toeran’ny Arsevekan’i Canterbury, mpitarika ny Fiangonana Anglikana maneran-tany misy 85 tapitrisa mpikambana. Notanterahina omaly (25 Marsa 2026) tamin’ny fomba ofisialy ny fametrahana an’i Sarah Mullally (63 taona), Eveka Londona teo aloha sy mpitsabo taloha, ho Arseveka faha-106. Mpandimby an’i Justin Welby izy. Nambarany tao amin’ny lahateny voalohany: “Ny zaza Sarah tsy afaka nanonofy izao.”

