Bongolava : Nisehoana tranga vaky fasana indray
Dépêche 15 novembre, 12h, Toerana maro maro teto Madagasikara izay no efa nisehoana fahavakisana fasana tao anatin’ny andro maromaro. Toy izany ihany koa ity tao Tsinjovary tao Bongolava ity izay nahitana fahavakisana fasana. Lasan’ireo tsy mataho-tody tamin’izany ireo taolambalon’ireo razana rehetra tao amin’ity fasana iray ity. Ity halatra taolam-paty ity izay mbola tsy fantatra hatramin’izao izay tena antony kanefa betsaka mihitsy ny olona manao izany afera maizina izany. Mila handraisana fepetra hentitra ny toy izao mba tsy hiverenan’ny tranga intsony.
