Mitohy ny fitetezam-paritra ataon’ny filoha
09 Desambra, 08h10. Nihazo ny faritra Antsinanana sy Analanjirofo manomboka androany hatrami’nny rahampitso 10 desambra ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Hotanterahina mandritra izany diany izany ny fitokanana ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny fanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy Japon. Eo ihany koa ny fanombohana ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha dimy miainga ao Soanierana Ivongo ary fitsidihana fotodrafitrasa maro samihafa.
