ActualitésTsidika

« Kermesy miavaka » : Ho taona mamy tsy ho adinontsika ity taona 2021 ity

Hotanterahina ny 30 sy 31 desambra ho avy izao ny « Kermesy miavaka » any amin’ny Koaminina Anjeva Gara, izay atao an-kalamanjana. Hisy kilalao maro samihafa, izay hampivondronana ny mponina any an-toerana, mba ho fotoana mamy tsy ho adinon’ny mponina izany.

« Mila faranana amin’ny hafaliana sy ny haravoana ity taona ity, hanonerana ireo asa aman-draharaha sy fahasahiranana isan-karazany nandritra ny taona » hoy i Miangola, mponina ao Anjeva Gara. « Ny Kermesy miavaka dia mifototra bebe kokoa amin’ny fampifaliana ny ankizy sy ny tanora, izay ahitana trano heva ho an’ny kilalao marobe » hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina, izay ivon’ny fikarakarana. « Ilaina ny miala voly, ary ny kilalao no sehatra ahafahantsika olombelona mandrangitra ny saintsika, ahafahantsika manana hevitra vaovao » hoy i Haja, mpandinika manokana mikasika ny saina.

Kilalao maro samihafa tokoa no ho hita any Anjeva amin’io fotoana io. Natao ho an’ny olon-drehetra ny hetsika, ho an’ny olona izay te hifaly sy hampifaly ny ankizy madinika. Mety amin’ny saina, mety amin’ny vatana ary mety amin’ny rehetra tsy an-kanavaka ny hetsika « Anjeva Manala Azy 2021 ». Tafiditra ao anatin’izany ny « Kermesy miavaka », izay tena miavaka tokoa satria entina hamaranana ity taona 2021 ity.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire