ActualitésTsidika

Fizahantany: Nankafizin’ireo mpizahatany avy any Australie i Mahajanga sy i Madagasikara

Tonga ao Mahajanga ilay sambo lehibe Bougainville de Ponant izay mitondra mpizahantany miisa 128 avy any Australie. Nitsidika ireo toerana manana ny maha izy azy sy mahasarika mpizahatany maro tao Mahajanga izy ireo toy ny “farihy masina ao Mangatsa” teo ihany koa ny fandalovana teo amin’ny Grand Pavois. Nahasarika ireo mpizahatany sady nankafizin’izy ireo ny toerana izay nitondrana azy ireo, tao ny mahakasika ny tanataran’ny toerana, teo ihany koa ny mahakasika ireo zava-manan’aina isan-karazany. Hitondra fivoarana amin’ny tolotra ara-pizahantany Malagasy ihany koa izany fandalovan’izy ireo izany rah any mahakasika ny tatitra azo avy amin’ireo mpisehatra.

Laisser un commentaire