SocialTsidika

Ambohimangakely : Mitaraina noho ny vovoka ny mponina

Mitaraina manoloana ny tsy fanajana asehon’ireo fiaran’ny Colas ny mponina qo Ambohimangakely. Ny lalana efa mamovoka kanefa izy ireo mbola mandehamafy ihany hany ka tandindomin-doza ny fahasalaman’ny mponina. « Mamovoka be mihitsy kanefa makarary ny vovoka, ny ain’ny ankizy ihany koa mboa hatahorana amin’ity izy mandeha mafy, ny entam-barotra amidy feno vovoka » hoy i Manampy, mponina ao Betafo Ambohimangakely.

« Efa nitaraina tao amin’ny kaominina izahay fa tsy nahazo rariny satria tetik’asam-panjakana hono io » hoy ireo fokonolona any an-toerana. « Mila jerena ihany ny fahasalamana satria mety hiteraka aretina maro io, mila mandray andraikitra ny kaominina na ny amin’ilay lalana fotsiny aza » hoy i Germain raha nanontaniana ny heviny mikasika izao zava-misy izao.

Marina fa asam-panjakana kanefa mila jerena ihany koa ny fahasalamam-bahoaka, raha vita aza ny asa kanefa ny vahoaka tsy salama dia zava-poana ihany izany, Sady fanajana ihany koa no angatahan’ireo mponina fa tsy ny anajanonana ny asa akory.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire