ActualitésTsidika

Mbola mitohy foana ny fahamaizana tato ho ato

Nisesy ny fahamaizana tao amin’ny valan-java-boahary tany Ankarafantsika sy ny tanin-janakazo tao Marohogo Mahajanga tato ho ato. Mampanontany tena mihitsy ny anton’ozany satria efa betsaka ny fanentanana natao kanefa izao no zava-misy.

« Fifandrifianjavatra sa fanahiniana ? Raha sady mbola miady amin’ny afo any amin’ny valanjavaboahary any Ankarafantsika ny ekipan’ny Tontolo Iainana sy ny Zandarimariampirenena any Boeny, ny Fokonolona, ny Fikambanana mpiara-miombonantoka, ny mpitantana ny Faritra arovana….dia may ihany koa ny toerana misy ny fambolenkazo iarahan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ireo orinasa tsy miankina na Fiangonana na Fikambanana ao Mahajanga » hoy ny Ministry ny tontolo iainana, Baomiavotse Vahinala Raharinirina.

« Mbola ho sarotra ny ady amin’ny afo satria mafy loha ny Malagasy ka tsy te hahaalala akory izay hahazo ny taranany aoriana » hoy i Pierrot, mpianatra eny anivon’ny anjerimanontolo, miofana ao amin’ny taranja Jeografia. « Tompon’andraikitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny olom-pirenena tsirairay ka aoka samy ho sarotiny amin’izany » hoy i Fanja, mpahay lalàna. Tsy fantatra mazava izay niavian’ny afo fa efa mandeha kosa ny fanadihadihana.

Tokony apetraka ny lalàna ho an’ny tontolo iainana hofitsinjovana ny taranaka fara mandimby satria mety hamantana tany faona izy ireo raha izao no mitohy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire