Alasora : Mizotra tsara ny fanamboarana ny EPP Miadana sy ny kianja filalalaovana basket-ball
Mizotra soa aman-tsara ny asa fanamboarana ny EPP Miadana ao amin’ny kaominina Alasora. Isan’ny vina napetraky ny kaominina entina hanatsarana ny lentan’ny fanabeazana ity tetik’asa ity.
« Mizotra sy fanamboarana sy fanatsarana ny EPP Miadana eto amin’ny kaominina Alasora. Eo ihany koa ny fanarenana ny kianja filalaovana basket. Azon’ny rehetra atao ny milalao afaka fotoana vitsy » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Efa manomboka mivelatra ny taranja basket-ball eto Alasora. Ny kianja indray no tsy ampy. Isaorana ny kaominina nijery hatrany ny hoavinay tanora tamin’izao fanarenana ny kianja izao » hoy i Rova, tanora mpilalao basket.
Miezaka hatrany manatsara ireo fotodrafitr’asa iombonana ho tombontsoan’ny rehetra ny kaominina Alasora. Anjarantsika vahoaka indray no mikajy sy mikojakoja azy ireny avy eo.
Nicole Rafalimananjara
