ActualitésTatitra

Europe : 75% amin’ny ankizy manao fanatanjahan-tena no efa niharan’ny herisetra

Nanao fanadihadiana tamin’ny olona 10 302 avy ao Allemagne, Autriche, Belgique, Espagne, Grande-Bretagne ary Roumanie mahakasika ny fanatanjahan-tena ny oniversite Edge Hill ao Angleterre. Fantatra tamin’ny izany fa ny telo ampahefatry ny ankizy manao fanatanjahan-tena no iharan’ny herisetra.Ny ara-tsaina no maro indrindra amin’ireo hoy izy ireo. Miainga amin’ny tsy fitiavan’ireo mpanazatra makany amin’ny fanalam-baraka izany. Roa ampahefan’ireo ankizy ireo no efa nizaka io herisetra ara-tsaina io raha 44% kosa no efa niharan’ny herisetra ara-batana. Ny lehilahy kosa no tena mizaka izany noho ny vehivavy hoy i Mike Hartill, mpampianatra ny sosiolojia ara-panatanjahantena ary mpanao ny tatitry ny fanadihadiana.

Laisser un commentaire