Olona toy ahoana no afaka manome rà ?
Fanavotana ain’olona ny fanomezana rà no sady famindrana aina. Betsaka no mila vonjy amin’izao noho ny tsy fahampian’ny rà. Iza anefa no manome rà ?
Ny olona mihoatra ny 18 taona dia afaka manome rà ary tsy latsaky ny 50 kilao ny lanjany. Mila olona salama tsara tsy misy areti-mitaiza sy tsy misy tazo na kohoka na sery anefa izany. Olona tsy mitondra ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo ihany koa toy ny VIH/SIDA. Olona tsy manaraka fitsaboana ka mihinana fanafody toy ny diabeta, tosi-dra sy ny tsy ampy rà. Marihina ihany koa fa tsy tokony hanome rà ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono. Anjarantsika mahafeno ny fepetra noho izany ny fanavotana ny mpiray tanindrazana amintsika.
Mila manatona ny tobim-pahasalamana hatrany amin’ny fizahana ny fahasalamana mialohan’ny fanapahan-kevitra hanome rà.
Nicole Rafalimananjara
