ActualitésTsidika

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray ny lalana mizotra ho any Ambohitrimanjaka

Fiara iray no tra-doza teny amin’ny lalana Ambohitrimanjaka. Olona roa no tao antin’ny fiara raha ny fanazavana nataon’ireo olona nanari-maso Niala ny lalana ity fiara Renault ity ka avy hatrany dia nilatsaka tany anaty rano. Maty tsy tsa-drano noho izany ilay mpamilin’ny fiara raha toa ka naratra mafy ilay olona iray niaraka taminy tanaty fiara.

Nifandrimbona namonjy sy nampiakatra ny vatana mangatsikan’ilay mpamily sy ilay olona iray naratra ny mponina teny an-toerana. Manararaotra mandeha mafy amin’ny lalana malalaka ireo mpamily koa tsy mahataitra intsony ny fisian’ny loza eny amin’ny lala-pirenena. Tsy voahaja intsony noho izany ny fetran’ny hafainganam-pandeha miala ny renivohitra. Andanin’izay tsy fanaovan’ny tompon’ny fiara ny fitsidihana ara-teknika hany ka tsy voahara-maso instony izay tokony ho fanatsaran ny fiara. Azo sorohana tsara any loza-pifamoivoizana.

« Matetika ahitana loza ety amin’ny faritra misy anay ety, hita ho loharanon’ny loza vohaloany ny hafaingainam-pandehana tafahoatra ataon’ny mpamily, eo ihany koa ny faharatsian’ny fiara matetika, ohatra amin’izany ny fahatapahan’ny hisatra » hoy i Norbert, nanatri-maso ny loza. « Efa misy ny sazy henjana miandry ireo minia mandika ny lalàn’ny fifamoivoizana, tsy tokony hihoatran’ny 50km isan’ora ny hafaingana-pandeha raha eny amin’ny lalam-pirenena. Marihina fa indroa miantaona ny fanadinana hatrehany alohan’ny hahazoana ny fahafahana mamily fiara » hoy i Andry, tompon’andraikitra ao amin’ny ATT. Raha ny fanehoan-kevitra nataon’ireo mpahay lalàna « Tsara hamafisina ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana eto Madagasikara hisorohana sy hampihenana ny loza izay hita fa tena mifanesy tato ho ato, enjanina ny sazy, tokony haverina indray ny fitsapana ny tahan’ny alikaolan’ny mpamily ohatra ». Azo ambara fa mbola manjaka eto amin’ny firenena Malagasy ny kolikoly ankehitriny noho ny fahitana ireo fiara efa simba mbola mifamezivezy, eo ihany koa ireo mpamily efa misotro ronono mbola manatanteraka ny asa hatrany.Miankina aman’aina ny sehatry ny fitaterana ka tsy tokony hanaovana tandrevaka.

Ampahatsihahivina hatrany ireo mpamily fa tompon’andraikitra amin’ny mpandeha sy ny loza mety hitranga izy ireo. Manasa ireo mpamily manararaotra amin’ny hafainganam-pandeha andray anjara amin’ny fifaninana « tour de rallye mada ».

Haingo Andriamihaja

Laisser un commentaire