ActualitésTsidika

Nosamborina ireo Taxi Moto

Noraofin’ny mpitandro ny filaminana ireo Taxi moto tetsy Ivandry ny marainan’ny Alatsinainy faha 13 ny volana septambra lasa teo.

Raha tsiahivina dia tsy nankatoavin’ireo filan-kevitra monisipaly ny hisian’ny taxi moto hiditra sehatry ny ara-dalàna ny faram-paran’ny volana aogositra lasa teo. Arak any fantatra mantsy dia ny ben’ny tanàna Naina Andriatsitohaina no namome alalana ireo filan-kevitra ireo handàny na tsia io lalàna io.

« Tokony avela hivelona ny olona fa tsy henjehina tahak’izao, ny dahalo sy mpanendaka no tokony fongorina fa tsy olona mitady izay ho arapàny amin’ny asa fivelomana madio » hoy i Bolo, mpitondra taxi moto.

Mankasitraka hatrany ireo manam-pahefana manao ny asany kosa anefa ireo mpitondra taxi ville hoe « rariny raha enjehina ny tsy ara-dalàna, ny taxi ville ihany aloha hatreto no manana ny sata mifehy ara-dalàna sy mahazo alalàna ny hiasa ka izay akoatra izay na moto na bisikileta dia tsy tokony hisy hahazo hiasa avokoa ».

Ny mpanjifa ireo taxi moto sendra anay kosa nilaza fa « mampazoto koakoa ny mandeha taxi moto noho ny taxi satria izy mirary koa ny sarany, ary mahafaka amin’ny fitohanana izy ».

Nilàza ny mpitandro ny filaminana fa « haiditra fourrière ireo taxi-moto mbola tratra miasa, efa tsy nankatoavina izy ireo ka izay no antony fanenjehana ».

Raha ny fahamaroan’ireny taxi-moto ireny dia hita taratra fa mbola maro tokoa ireo tanora tsy an’asa, ka mirona amin’izay lazain’ny sasany hoe « aty misy an’izao na ary misy an’izao » hany ka na asa tsy ara-dalàna aza dia atao ihany, eny fa na dia sa ratsy aza. Tokony mbola ampitomboana arak’izany ny tahan’ny fanomezana asa ho an’ny tanora mba tsy hironàny amin’ny zavatra tsy eken’ny lalàna.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire