Alasora : Lozam-pifamoivoizana nitranga teny Ambohimanandraisoa
Nisy lozam-pifamoivoizana niseho teny Ambohimanandraisoa tamin’ny zoma. Teo amin’ny folo maraina teo ho eo no nitranga izany, raha ny loharanom-baovao azo tamin’ny manodidina. Fiara sy kodiaran-droa iray no nifandona teto. Naratra mafy ilay mpamily kodiaran-droa raha ny hita teny an-toerana, ary.
Nambaran’ny mpanatrika iray fa tsy ilay mpamily fiara no diso fa, tsy fitandreman’ilay mpamily kodiaran-droa, izay somary nandeha mafy ihany. Nitsipaka izany kosa i Vololona, vavolombelona nahita tsara ny loza niseho : « nidina fidinana ilay mpamily ary tsy nahatandrina tsara ny familiana ka izao nifatratra tany amin’ilay fiara izao ». Raha ny tokony ho izy anefa hoy ireo polisim-pirenena dia tokony tsy hirimorimo izany mihitsy rehefa sendra fidinana toy ireny.
Mila fitandremana hatrany rehefa mamily fiara, eny fa na dia kodiaran-droa ary satria, tsy hay izay tranga tampoka mety hiseho. Raha samy mailo manko ny mpamily rehetra, tsy haheno tranga toy izao itsony ny malagasy mpiray tanindrazana.
Raha foana tanteraka eto amin’ity firenentsika ity ve ny kodiaran-droa, mety hilamina ny fifamoivoizana ?
Murielle Andrianasoloniaina
