SocialTsidika

Fandraharahana : Afaka atao na tsy manana diplaoma aza

Tsy natokana ho an’ny olona nahitana fianarana ambony irery akory ny tontolon’ny fandraharahana eto amintsika. Maro ireo olona tsy nandalo ny fianarana teny amin’ny anjerimanontolo akory nefa misehatra ao anatin’ny tontolon’ny fandraharahana.

« Tsy mitaky fahaizana na diplaoma ny fahombiazana fa rehefa ao amianao ny fikirizana sy ny fahazotoana dia tsy maintsy tafavoaka ianao »hoy i Jerry, mpandraharaha ara-barotra. Sakana ho an’ny tanora tokoa eo amin’ny sehatry ny fandraharana ny tsy fananana mari-pahaizana satria mihevitra izy ireo fa natao ho an’ny nandiha fianarana ihany izany. « Amiko dia mila fahaizana tany am-pianarana ny fandraharahana izany satria ahoana moa no hanangananay orinasa kanefa izahay aza tsy manana fahaizana akory ? » hoy i Lanto, mpiasa amin’nny « call center ».

Ny fandraharahana dia miainga amin’ny hoe « Inona no hainao ? Inona no zava-misy eo aminao ?  » Atomboka amin’ny famaliana ireo fanontaniana ireo ny tetik’asa. Tsy misy olombelona tsy misy na inona na inona izany ao an-dohany ary samy manana ny mampiavaka azy ny tsirairay ; fa matoa tsy hay ny mampiavaka ny olona iray dia tsy mbola voatrandraka izy izany. Mila trandrahana noho izany ny zavatra hainao, ny talenta dia hazava ny lalana. Marina fa manampy betsaka amin’ny fandraharahana ny fianarana norantovina ; fa kosa ny toe-tsaina no tena mitondra azy. Tsy sarotra akory izany fananana toe-tsainana mpandraharaha izany fa kosa mitaky ezaka.

Mila mahay mifandray amin’ny tontolo, indrindra manoloana ny olana, satria tsy maintsy misy foana ny olana. Ilaina ny mifehy ny fotoana ary mametraha fe-potoana amin’ny dingana iray, satria miainga eo ambony fotoana ny zava-drehetra. Tsara ny mitady zava-baovao ilain’ny olona avy amin’ny alalan’ny talenta na ny fahaiza-mamorona, satria maro ny mpifaninana ka tsara ny manana zavatra miavaka mihoatra ny an’ny rehetra. Mila sahy sy tsy matahotra hanao dingana iray ny tena mpandraharaha ka mila harafitra manomboka eo ireo tanjona. Tsy mitaky fari-pahaizana izany rehetra izany fa toe-tsaina no mitondra azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire