Ambalavao : olona iray namohy ny ainy noho ny valan’aretina pesta
Taorian’ny kaominina Miandrandra dia ny distrikan’ Ambalavao, farita Matsiatra Ambony indray no lasibatry ny pesta. Olona iray voamarina fa nitondra ny valan’aretina pesta aretin-tratra no namohy ny ainy ny erin’nandro lasa teo.
Marihina fa olona efatra izay anaty fianakaviana iray no namohy ny ainy saingy ny iray ihany no voamarina fa matin’ny pesta. « Olona efatra no namohy ny ainy, ny iray amin’ireo no voamarina fa maty noho ny pesta areti-tratra fa ny telo ambiny kosa mijanonana ho ahihahy aloha hatreto noho ny mbola tsy nahavitana ny fitiliana. Marihiko fa olona anaty fianakaviana iray ihany ireo efatra maty » hoy Dr Fidiniaina Mamy Andriatsafara, Tale jeneraly misahana ny fisorohana eo anivon’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka. Fantatra fa aretina avy amin’ny voalavo ny pesta, mifindra amintsika olombelona amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy.
Mahafaty haingana ity aretina ity raha tar any fahazoana ny fitsaboana, indrindra fa ny pesta aretin-tratra. Ankilan’izany azo sorohina tsara ny pesta Ny fanadihovana ny toerana manodidina no isan’ny fihetsika iadiana amin’ny fiparitahan’ny pesta Marihina entoana fa efa nahazo fitsaboana avokoa ireo olona 21 voamarina fa voan’ny pesta tao amin’ny kaominina Miandrandra. Tsy ahitana tranga vaovao intsony ny kaominana ankehitriny, raha to aka olona iray sisa no manohy ny fitsaboana eny amin’ny tobim-pahasalamana ».
Raha ny lalàna misy eto amintsika dia tsy tokony hiditra am-pasan-drazana ireo olona matin’ny pesta ho fisorohana ny mety ho fianak’izany aretina izany, noho izany tsy tokony ahitana tranga vaovao amin’io aretina io intsony eto amintsika raha toa ka man avokoa ny rehatra » hoy i Vonjy, mpandinika fiaraha-monina. « Tsy mitombona intsony ny ohabolana Malagasy hoe velona iray trano, maty iray fasana.Tsy azonay fianakaviana alevina am-pasan-drazana ny havanay noho ny aretina izay nahalavo azy » hoy i Mahefa, fianakaviana mana-manjo.
Mila manana toetra tia fahadiovana isika rah ate handresy ity aretina pesta ity, mila diovina avokoa ny manodidina. Halàna avokoa ireo lobolobo iangonan’ny biby toy ny voalavo, parasy, izay tena loharanon’ny aretina. Isika mponina ihany dia afaka miady amin’ity aretina ity fa tsy miandry ny fitondram-panjakana. Tompon’andrikitra voalohany amin’ny toe-pahasalamany ny olona iray koa rariny raha izy ihany no andray an-tanana izany, tsy iandrasana ny hafa mandrakariva ny fiarovana ny fahasalamanao.
Haingotiana Andriamihaja
