ActualitésTsidika

Nisy ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofafana arak’asa

Nanatontosa valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety mahakasika ny fandaharam-potoanan’ny taom-pianarana 2021-2022 ny Sekretera jeneralin’ny Minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fampiofanana arak’asa. Fantatra tamin’izany fa ny anio 13 septambra no hanomboka ny fitatanan-draharaha eo amin’ny Minisitera.

Ny 20 septambra no daty voarakitra hanombohan’ny fampianarana ho an’ireo mpampianatra mpikaroka, ny 27 septambra no hiverina an-tsekoly ireo mpianatra. Mizara telo  ny taom-pianarana ka hanomboka ny 27 septambra hatrami’ny 17 desambra 2021. Ny 10 janoary hatramin’ny 08 aprily ny telo volana faharoa, 27 aprily hatramin’ny 24 jona kosa ny telo volana fahatelo amin’ny fizaran’ny taom-pianarana. Nandritra izany indrindra no nanamafisana ny tsy mbola fisian’ny fandoavam-bola ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina, miandry ny baiko vaovao avy amin’ny tompon’andraikitra  ny daty hanatanerahana ny saram-piofanana. Nohamafisina nandritra ny valan-dresaka natao ny mbola fitohizan’ny fanajana ny fepetra sy fihetsika sakana iarovana amin’ny valan’aretina izay mbola mitoetra eto amintsika. Andro vitsivitsy mialohan’ny fidiranan’ny mpianatra no andrarahana ny tsiranoka manono otrik’aretina ny faritry ny sekoly. Hovidina mialoha ihany koa ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fampianarana hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Entinana hatrany ireo olona mifamezivezy ao amin’ny sekoly mba hanaja ny lamina napetraky ny fitondram-panjakana toy ny fanaovana ny aro vava orona, fanasana ny tanana alohan’ny hidirana anaty ny faritry ny sekoly, fanajana ny elanelana iray metatra.

« Misy hihomanana tsara ny resaka ara-bola noho ilay hoe afaka miverina an-tsekoly ny mpianatra na dia mbola tsy vohaefa aza ny lafiny ara-bola » hoy i Hanta, ray aman-drenin’ny mpianatra. « Efa vonona amin’ny fandraisana ny fiverenan’ny mpiantra an-tsekoly izahay, vonona amin’ny lafiny fampianaran sy ny fanajana ny fihetsika sakana amin’ny Covid 19, 20 farafahabetsany ny ankizy miara-mianatra anaty efitra iray noho izany, hoentitra izahay amin’ny fanaraha-maso » hoy i Georges, talen-tsekoly iray.

Manana anjara andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny firenena ny tanora koa rariny sy hitsiny raha atao lahara-pahamehana hatrany izy ireo, ambonin’izany indrindra ny amin’ny lafiny fampianarana. Ny tanora ny hoavin’ny firenena koa tohano hatrany ireo mazoto hanohy ny fianarana.

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire