ActualitésTatitra

Burkina Faso : Nahongan’ny tafika ny filoha

Nahongan’ny tafika tao Burkina Faso ny alatsinainy teo ny filohan’izy ireo Roch Marc Christian Kaboré. Nilaza izy ireo ny talata teo fa nampiato ny làlam-panorenana ary nandrava ny governemanta sy ny antenimeram-pirenena ary hamerina ny lamina amin’ny fotoana mahamety azy.Ny lieutenant-colonel Paul-Henri Sandaogo Damiba, filohan’ny MPSR (Mouvement patriotique pour la sauvegarde et la restauration) no eo amin’ny fitantana amin’izao fotoana. Nilaza ihany koa ny kapiteny iray ao an-toerana fa nikatona nanomboka ny sasakalin’ny alatsinainy teo ny sisintanin’i Burkina Faso ary hisy famerana ny fe-potoana fivezivezena amin’ny 5 ora marina hatramin’ny 9 ora alina ao an-toerana.

Laisser un commentaire