Ankadikely Ilafy : Tsy laitra hiainana ny fofona ateraky ny fako
Mbola hita sy tazana ao amin’ny fokontany Ambohitrarahaba, kaominina Ankadikely Ilafy, amin’izao fotoana izao, ny fako mivangongo ao an-toerana. Anisan’ny manelingelina ny mponina, ankoatra ny loto ny fofona haterak’izany, raha ny voalaza.
« Ny tena olana tsikaritra teto hatramin’izay dia ny tsy fahampian’ny fandraisana fepetra avy amin’ny tompnandraikitra sy ny fampandraisana andraikitra ny isam-batan’olona. Samy miandry fanentanana sy fandaminana fa tsy misy ny fandraisana anjara mivantana » hoy i Laza, mponina ao Ambohitrarahaba.
« Olana efa an-taonany maro ny mahakasika ny fako eto amintsika. Drafitra vaovao no tokony hampiarina mba ahafahana mandrindra izany. Ohatra ny fampianarana ny isan-tokatrano hikajy ny fakony satria lany andro mifampiandry sy mimenomenona no ankamaroan’ny rehetra » hoy i Rado, mpandaharaha.
Ny fifandresen-dahatra sy ny fampandraisana andraikitra araka izany no mety ho vahaolana mahakasika ny fandrindrana ity fako ity. Na dia izany aza anefa, miankina amin’ny ohatra asehon’ny tsirairay no ahafahana manatanteraka izany.
Manitra R.
