France : Namoy ny ainy ny iray tamin’ireo kambana Bogdanoff
Kambana anisan’ny malaza indrindra eo amin’ny tontolon’ny haino aman-jery tany amin’ny taona 1980 i Grichka sy i Igor Bogdanoff. Namoy ny ainy ny 28 desambra teo noho ny aretina covid-19 ny iray tamin’izy ireo, dia i Grichka Bogdanoff.Nanamarina io antony nahafatesany io ny mpisolo vava azy Edouard de Lamaze ary nanamafy izy fa samy nitondra ny tsimok’aretina izy roa lahy. Niara nahiditra tao an-trano fameloman’aina tao amin’ny Georges-Pompidou ny 15 desambra i Igor sy i Grichka Bogdanoff ary marihina fa samy tsy vita vaksiny izy ireo.
