Dépêches

Mananjary : Nitrangana fahamaizana tranio indray

Dépêche 23 septembre, 14h, Mateti-pitranga mihitsy ity trano may ity tato ato. Tsy fantatra na noho ny tandrevaka fotsiny na noho ny olana mety niseho fa trano am-polony indray no levon’ny afo tao Masindrano Mananjary ny alina teo tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany. Tsy mbola fantatra hatreto ny anton’ny firehetana. Ny loza tokoa tsy mampilaza fa ilaina foana ny fitandremana amin’ny zavatra rehetra.

Laisser un commentaire