ConseilTsidika

Torohevitra : ireo ora tokony hisakafoanan mba hahatsara ny fahasalamana.

Ilaina fandrindrana ny fisakafoanana mba hampilamina ny fahasalaman, ny teny idealy dia misakafo in-3 isan’andro. Sakafo miovaova sy karazany maro mba hahatomombana ny fandevonana azy.

Maraina amin’ny 7ora ka hatramin’ny 8ora no ora fisakafoanana isaky ny maraina. Tsy tokony hihoatra ny amin’ny 10ora maraina kosa izany ary ny tena idealy aza dia 30mn aorian’ny fifohazana. Mba ho fiarovana ny fiasan’ny vavony dia tokony adiny efatra aorian’ny sakafo mariana ny fihinanana ny sakafo atoandro. Eo anelanelan’ny amin’ny 12ora ka hatraminy 2ora tolakandro izany ary, tsy atao tara ny amin’ny 3ora tolak’andro. Tsara tadidiana ihany koa fa adiny 3 alohan’ny hatoriana no tokony hisakafoanana hariva izany hoe tokony eo anelanelan’ny amin’ny 7ora ka hatramin’ny amin’ny 9ora alina izany. Rehefa misakafo dia tsy tokony hanao voky loatra, mba ahafahan’ny vatana sy ny taova miasa ara-dalana, raha mahatsapa noana anelanelan’ireo ora ireo dia azo atao ny mihinana gouter saingy tokony indroa isan’andro ihany izany.

Sakafo ara-pahasalmana hatrany no tokony hoanina isan’andro, ary tsy adino ny voankazo sy ireo vokatra vita avy amin’ny ronono isan-karazany, fa indrindra indrindra ny fisotroana rano 1,5 litatra isan’nadro. Mirary fahazotoan-komana sy fahasalamana ho antsika rehetra.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire