Dépêches

Fifamoivoizana : Ho tapaka ny lalana mandalo ny Kianja Maki avy any amin’ny Boulevard de l’Europe manomboka androany

Dépêche 17 novembre, 13h30, Noho ny asa fanamboarana ireo lalana rocade eny amin’ny lalàn’ny Francophonie dia hisy fanadaminanany fifamoivoizana eny an-toerana. Ho tapaka noho izany ny lalana eo amin’ny sampanan-dalana Boulevard de l’Europe sy ny sampanan-dalana Maki mampitohy ny tetezna vaovao manapaka ny RN58A. Hanomboka androany 17 novambra ziany fahatapahana izany. Hiangaviana noho izany ireo mpampiasa iny lalana iny mba hanaja ny fandaminana mba tsy ahafahana manao ny asa antsakany sy andavany. Efa misy moa ny fandaminana eny an-toerana mahakasika ny fampiasana ireo lalana amin’ny rocade.

Laisser un commentaire