Dépêches

Fifamoizoizana : Miato manomboka androany sy rahampitso ny fiara fitateran’olona sy sy ny fiara vaventy amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly

22 Febroary, 09h00. Miato avokoa ny fifamoivoizana an-tanety androany 22 sy rahampitso 23 febroary, amin’ireo faritra nahazo filazana loza miloko mena sy mavo. Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Atsimo Atsinanana ary Mangoro Ananlanjirofo, Anosy, Vakinankaratra, Amoron’i Mania,Matsiatra Ambony, Ihorombe, Atsimo Andrefana, Androy, Mangoro, Manjakandriana, Andramasina,Antananarivo Avaradrano, Antananarivo Atsimondrano, Antananarivo Renivohitra, Ambohidratrimo ary Arivonimamo. Voakasik’izany ny fiara fitateran’olona amin’ny zotra rezionaly sy nasionaly sy ny fiara vaventy mpitatitra entana. Ny fitaterana andranomasina sy andranomamy ihany koa dia mijanona avokoa. Ho an’ny faritra nahazo filazana loza loko maitso indray dia manentana ny ministeran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro dia manentana ny mpamily hitandrina hatrany amin’ny tsy fahampian’ny fahitana vokatry ny rotsak’orana be loatra, ny lalana malama, ny fihotsahan’ny tany, ny fahatapahan’ny hazo ao anaty arabe, ny fandehanana mafy loatra ary ny havizanana vokatry ny tsy fahatomombanan’ny dia eny an-dalana ny minisitera.

Laisser un commentaire