ANKADIRANO FOULPOINTE : Manomboka miakatra ny rano ary manonja ny ranomasina
22 febroary, 10h00. Efa hatramin’ny omaly hariva no nanomboka niakatra ny rano ao amin’ny faritra Ankadirano làlana mihazo an’i Foulpointe. Miha mahery ihany koa ny onjan-dranomasina noho ny fisian’ny rotsak’orana sy ny rivotra mahery ao an-toerana. Efa maro ihany koa ireo faritra efa misedra sahady ny rivodoza EMNATI izay mbola tsy tafiditra akory.
