Dépêches

Sehatry ny asa: Ny taona 2022 ihany no mihatra ilay karama farany ambany 250 000ariary.

Dépêche 06 octobre, 13h30, Fanampiana ihany ho an’ireo mpiasa tsy miankina no nataon’ny fanjakana noho ireny krizy ireny ka ity taona 2022 ity ihany izany no mihatra ilay karama farany ambany 250 000ar. Raha tsy misy ny fifampiresahana amin’ireo mpiara mombon’antoka dia mijanona ho 217 000ariary ihany izany ny taona ho avy io, izany hoe miakatra 9.9% fotsiny ihany. Araka ny efa nambaran’ny fitondram-panjakana moa dia izy ireo no miantoka io elanelana amin’ny karama farany ambany io ka ity taona ity ihany no hisian’izay.

Laisser un commentaire