ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Mitrandraka talenta vaovao hanampiana ireo tanora vao handraharaha ny ao amin’ny PLE

Eny Ambohimangakely eny no ahitana ity ivon-toerana fampiofanana ity. Manampy ny tanora rehetra te hisehatra mahakasika ny vy.

Mbola malalaka ny lalana raha ity sehatra ity no jerena satria mbola azo lazaina ho vitsy ihany ireo mpisehatra ao anatiny. Ny filan’ny olona anefa mitombo foana satria raha ny zavatra vita avy amin’ny vy dia mafy noho ireo vita amin’ny hazo. Izany indrindra no antony hanoloran’ny PLE ity tolotra ity. Efa manana traikefa amin’ny fampianarana mahakasika ny asa vy izany ny PLE satria efa 7 taona no niseharana tao anatiny ary efa nahatafavoaka mpianatra efa manana ny orinasany ankehitriny.

« Mpianatra maro no efa tato aminay, maharitra roa volana ny fampiofanana isaky ny taranja. Farany teo izao 6 aloha no mpianatra tato dia ny 3 amin’ireo efa samy nahatsangana ny orinasany daholo ankehitriny », hoy i Avotra Nomenjanahary, tompon’andraikitra teknika ao amin’ny PLE. Manana traikefa amin’ny fampitana fampianarana ihany koa ireo mpampiofana ao ary ny fampiofanana dia mizara roa daholo, ao any an-tsoratra ary ao ihany koa ny fampiharana na ny pratique satria hamoaka zavatra ho an’ny olona ireo mpianatra ka ilaina ny fanaovana pratique betsaka.

« Nandresy lahatra ahy hianatra asa momba ny vy izao ny momba ny fivoahako avy ato satria hitako hoe mety hitadivana vola tsara izy ity. Ny mpampianatra ato koa moa tena efa matihanina dia mora raisin any zavatra ampitan’izy ireo », hoy ny mpiofana ao amin’ny PLE.

Manome tolotra maro momba ny asa vy ny PLE, ary anisan’ny mivarotra ihany koa. Antso an-telefaonina hatreto no tena mbola afaka hifandraisana amin’izy ireo ho an’ireo izay mila fanampim-panazavana dia ao amin’ny 034 12 234 13 izany.

Miora Raharisolo 

RépondreRépondre à tousTransférer

Laisser un commentaire