Fifidianana : Neken’ny avy eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana ny daty navoakan’ny CENI
Dépêche 16 février, 12h30, Araka ny tatitra izay navoakan’ny CENI dia ny volana novambra sy desambra izao no hanatanterahana ny fifidianana Filoham-pirenena. Neken’ny avy eo anivon’ny Fitsarana avo momba ny lalam-panorenana izany rehefa avy nohadihadiana. Nanambara izy ireo fa mifanaraka amin’ny lalam-panorenana tsara ireo daty izay navoakan’izy ireo ireo. Haroso eo anatrehan’ny andrim-panjakana isan-tokony araka izany ity fanambarana ity ary havoaka amin’ny alalan’ny fampahalalam-baovao ofisialin’ny Fitondram-panjakana.
