ActualitésTatitra

Comores : Handray anjara amin’ny Arab Club Champions Cup ny firenena

Rehefa niato nandritra ny roa taona ny Arab Club Champions Cup dia hiverina hisy indray raha ny fanambarana nataon’ny UAFA. Hampitondraina ny anaran’ny mpanjaka saoudien Salman bin Abdulaziz ity andiany faha-30 ity ka hiova « King Salman Club Cup » ny anaran’ny fifaninanana. Mbola tsy fantatra mazava ny daty hanatanterahana ny lalao saingy fantatra ho tontosaina ny fahavaratra manaraka izao izany ary atao ao Arabie Saoudite ao amin’ny tananan’i Abha, Al-Bahah ary Taïf.

Klioba 37 isa avy amin’ny firenena 22 mpikambana ao amin’ny UAFA no handrasana handray anjara amin’io lalao io. Tafiditra ao anatin’izany i Comores i hisoloan’ny Volcan Club avy ao Moroni tena. Raha tsiahivina dia izy ireo no tompondakan’i Comores eo amin’ny taranja baolina kitra.

Laisser un commentaire